ANDRO RATSY CHIDO

Ahiana hivadika ho rivo-doza mahery vaika anio


  • Alakamisy 12 Desambra 2024

Ahiana hivadika ho rivo-doza mahery vaika ilay andro ratsy Chido. Tany amin’ny 940 Km atsinanana

somary avaratra atsinanan’i Antsiranana I no nisy ny foiben’i Chido omaly Alarobia 11 Desambra tokony ho tamin’ny 03 ora folakandro. Niakatra ho 155 Km isan’ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 220 Km isan’ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka niakandrefana izy ka nahafaka 15Km isan’ora. Tombanana hitombo hery hatrany i Chido ka mety ho lasa rivo-doza mahery vaika anio Alakamisy 12 Desambra. Manambana mivantana ny tapany avaratry ny Nosy ity rivo-doza ity rahampitso Zoma 13 Desambra amin’ny tanjaka Cyclone Tropical. Tafiditra ao anatin’ny loko mavo ny faritra Diana sy ny Distrikan’i Vohemar noho izany. Fanairana miloko maintso kosa ny any amin’ny Distrikan’i Bealanana, Befandriana Avaratra, Antsohihy, Boriziny, Analalava, Sambava, Antalaha ary Andapa. Ahiana hiakatrabe ihany koa ny rano any amin’ny faritra DIANA.
Pati
Legende : Miala any ny rivo-doza na dia manakaiky aza ny fety !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT