Hotanterahina any Morondava ny fankalazana ny andro manerantany
ho an’ny fizahantany na JMT andiany faha 46 ho an’ity taona 2025 ity, hoy ny fampitàm-baovao voaray omaly. Hetsika lehibe notapahina taorian’ny fitsidihana nataon’ny minisitry ny fizahantany sy ny asa tanana, Viviane Dewa, tany an-toerana ny herinandro lasa teo, izay nahafahana nanombana sy nampiroborobo ny fizahantany ao amin’ny faritra Morondava sy Menabe izany, hoy ny fanazavàna. Malaza maneran-tany ny tanànan’i Morondava noho ny Circuit du Grand Tsingy, izay hita ao amin’ny alan-javaboarin’i Bemaraha ary lalovan’ny reniranon’i Manambolo. Ity toerana mahafinaritra ity dia misarika mpizahatany an’arivony isan-taona. Ankoatra izany, ny Allée des Baobabs, izay tafiditra ao anatin’ny vakoka iraisampirenena ao amin’ny lisitry ny UNESCO, dia iray amin’ireo toerana malaza indrindra sy mamirapiratra eto Madagasikara, mahatonga an’i Morondava ho tanàna tsy azo hadinoina ho an’ny mpitsidika. Nitsidika ihany koa ny Centre écotouristique de Menabe (CEM) ny minisitra, toerana manan-danja ho fampiroboroboana ny fizahantany ara-tontolo iainana ao amin’ny faritra. Ity ivontoerana ity dia natao hanamafisana ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra ao amin’ny sehatry ny fizahantany. Ny JMT dia fotoana manan-danja ho an’ny mpisehatra rehetra eo amin’ny tontolon’ny fizahantany eto Madagasikara, ho fanamafisana ny maha-zava-dehibe ity sehatra ity ho an’ny toekarena sy ny fiainam-bahoaka. Ity lanonana ity dia ahafahana mifanakalo hevitra, mandinika ary mandrafitra paikady vaovao ho fampandrosoana ny fizahantany, indrindra fa ny fizahantany maharitra sy mifanaraka amin’ny tontolo iainana. Ny renivohitr’i Vakinankaratra, Antsirabe, ny 26 sy 27 septambra moa no nandray ity hetsika ity tamin’ny taon-dasa. Hifindra any Morondava, tanàna izay manana toerana ara-kolontsaina sy ara-tontolo iainana, kosa izany amin’ity taona ity.
Nangonin’i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.