Andro maneran-tany ho an’ny onjam-peo

Nomarihina omaly, mila ezaka i Madagasikara


  • Alarobia 14 Febroary 2024

Marihina isaky ny 13 febroary ny andro maneran-tany

ho an’ny onjam-peo, araka ny fanapahana noraisin’ireo firenena mpikambana ao anatin’ny UNESCO nanomboka ny taona 2011. Mbola mitana ny lohalaharana aloha ny radio radio amin’ny fanarahan’ny olona an’ireo sehatra fizaram-baovao samihafa. Samy nanana ny fomba nanamarihany an’io naneran-tany omaly, fa ny itovizany dia nanamafy ny maha zava-dehibe ny fisian’ny radio eo amin’ny fiarahamonina, na efa mihazakazaka aza ny fitaovan-tserasera sy ny teknlojia samihafa. Mivoatra rahateo ny tontolon’ny radio maneran-tany, ka isan’ireny ny fahafahana mandray azy amin’ny zanabolana izay mbola misy moa ny endrika sivana amin’io satria betsaka ireo mangataka eto amintsika no toa tsy afaka, ary nisy aza ny efa tao no nesorina,… izay midika fa misy ny ezaka tokony hatao hitovizan’ny herijika ho an’ny rehetra. Efa betsaka ihany koa ireo radio no mivelatra amin’ny fandefasana ny fandaharany an-tsary na am-peo amin’ny tambajotran-tserasera ho fanomezana fahafaham-po ny mpihaino sy fanarahana ny teknolojia,... Ho an’ny teto Madagasikara nandritra ny fanamarihana omaly, nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fisian’ny radio ho an’ny fiarahamonina ny Minisitera mpiahy, na dia eo aza ny firoboroboan’ireo fitaovan-tserasera maro samihafa ankehitriny. Onjam-peo tsy miankina maherin’ny 300 manerana ny Nosy no nampita mivantana ny fandaharana manokana nentina nanamarihana ity andro ity izay niainga teo anivon’ny radio nasionaly malagasy RNM Anosy.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT