Andro iraisampirenena ho an’ny tenindreny

Hanao fankalazàna amin’ny fomban’ny siantsa ny ITAZOMA


  • Alarobia 19 Febroary 2025

Feno 25 taona ny nanokanan’ny UNESCO ny 21 febroary ho andro iraisampirenena

ho an’ny tenindreny io daty io. Hankalaza io andro jobily io ny Ivon-toeram-pikarohana momba ny arika sy zavatra ary olona malagasy na ITAZOMA ao amin’ny Fakiolten’ny teny aman-tsoratra ary siantsan’ny mahaolona ao amin’ny oniversiten’Antananarivo, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Fankalazana amin’ny fomban’ny siantsa amin’ny alalana vela-kevitra miompana amin’ny lohahevitra hoe “Tenin’ny tany: Antoky ny fanabeazana mahomby, fototry ny fandrosoana mateza” no hatao amin’izany. Zana-dohahevitra hovoaboasana kosa ny hoe «Ny fanabeazana amin’ny tenindreny», «Ny fampitana kolontsaina amin’ny tenindreny», «Ny serasera amin’ny tenindreny». Ao amin’ny Amphi-DEGS, ny zoma 21 febroary 2025 ho avy izao no fotoana. Amin’ny 8 ora sasany ny lanonam-panokafana. Famelabelaran-kevitra ravahana seho kanto no ho tohin’ny fandaharam-potoana, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT