Actualités

Andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora Tontosa tao Fianarantsoa


  • Alatsinainy 14 Aogositra 2017

Notanterahina tao amin’ny renivohitra Fianarantsoa ny 10 hatramin’ny 12 aogositra 2017 ny andro iarasam-pirenena ho an’ny tanora, ka lohahevitra nosafidiana tamin’izany ny hoe

 « Tanora manorina fandriampahalemana maharitra ». 700 mianadahy ireo tanora nisolotena ny Faritra 22, izay tonga nanatrika azy io tany an-toerana. Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny lanonana ny tany amin’ny Gymnase Couvert Ambatomena Fianarantsoa ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier ny sabotsy 12 aogositra 2017. Nambaran’ny praiminisitra fa manana anjara toerana eto amin’ny firenena ny tanora ary antoky ny fampandrosoana. Aoka ho tanora mpanorina fa tsy tanora mandray anjara na hampandraisana anjara amin’ny fanapotehana an’i Madagasikara. Tokony ho fianarana ianareo tanora. Mahaiza mifandefitra sy mifankatia”, hoy izy. Efa manana ny politikam-pirenena ho an’ny tanora ny fitondram-panjakana. Efa vita ireo drafitra entina manatanteraka ny politikam-pirenena. Ezahina hotanterahina ao anatin’ny 5 taona ny dingana voalohany dia ny fohy ezaka sy ny antonony ezaka. Nandritra ny lanonana dia nisy ny fanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjarampahefana, izay notarihan’ny praiminisitra sady minisitry ny Atitany sy ny fitsinjarampahefana sy ny minisiteran’ny tanora ary ny UNFPA, amin’ny  fiaraha-miasa hametrahana tetikasa ho an’ny tanora eto Madagasikara. Nisy ihany koa ny fametrahana vatofehizoro amin’ny hananganana ny tranon’ny tanora na ny “maison des jeunes”. Marihina fa any amin’ny renivohitr’i Toliara no hotanterahina ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Tanora ny amin’ny taona 2018.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT