Actualités

Andro iraisam-pirenena ho an’ny mponina Omen-danja ny tanora sy ny tantsaha ao Amoron’i Mania


  • Zoma 11 Jolay 2014

Ankalazaina anio zoma 11 jolay ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mponina. Tsy latsa-danja fa manamarika izany ny ao Amoron’i Mania ka atrikasa andinihana sy hifanakalozan-kevitra no endrika hanamarihana izany

Mitarika izany ny fari-piadidiam-paritry ny mponina ao an-toerana miaraka amin’ny fari-piadidiam-paritry ny minisiteran’ny tanora sy alavoly ary ny Faritra Amoron’i Mania. Lohahevitra roa samihafa nefa mifameno no noraisin’ny Faritra Amoron’i Mania dia «Ampanjariana ny tanora, antoky ny hoavy » iraisana manerana ny Nosy fa niampy «Ny miralenta sy ny fampandrosoana ifotony» ho an’Amoron’i Mania manokana. Andrasana amin’ny atrikasa hotanterahina anio ny hisian’ny fampandrosoana ny vehivavy tantsaha sy hanentanana ny tanora tsy hirona amin’ny filan-dratsy maro.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT