Andrin-jiro iray mitondra herinaratra amina tokantrano maro eo akaikin'ny biraon'ny
kaominina Alakamisy Fenoarivo, distrikan'Atsimondrano no fantatra fa efa tapaka tanteraka eo amin'ny tehezany efa ho 5 volana izao. Tsy nitsahatra ny nandeha nitady hevitra tany amin'ny JIRAMA nitady izay fomba hanamboarana maika io andrin-jiro io ny kaominina raha araka ny fanazavan'ny depiote Raharimanarivo Voahangy voafidy ao anatin'ny distrikan'Atsimondrano saingy tsy mbola nisy vokany hatreto. Ny olona mamoy ny ainy vokatry ny fahapoizinana ara-tsakafo sy ny tsy fandriampahalemana aza hoy izy efa tsy fidiny koa andrasana hamono olona indray ve ny tariby mitondra herinaratra amin'ity andrin-jiro ity vao hikoropaka ny orinasa JIRAMA ? Tsiahivina moa fa na zazakely vao 10 taona monja aza dia afaka mikasika ilay tariby mitondra herinaratra avy amin'ity andrin-jiro tapaka eny Alakamisy Fenoarivo ity. Miondrika ireo olona lava manao raharaha ao amin'ny kaominina rehefa mandalo azy raha azo lalaovina raisin-tanana kosa izany ho an'ireo olona fohy. Nomarihin'ny Ben'ny tanana ao an-toerana moa fa efa eo am-pelatanan'izy ireo ny référence mikasika ilay andrin-jiro vaovao tokony hanoloana ity andrin-jiro tapaka ity saingy mijanona ho soratra fotsiny izany, tsy misy tohiny.
Pati
Légende : Ny solombavambahoaka Voahangy Raharimanarivo, manondro ilay andrin-jiro tokony amboarina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.