Andrianjoelina Dewa Soalohinirina Julia, manomboka izao no tale-paritra vaovao misahana ny fizahantany any amin’ny faritra Anôsy
Vita tamin’iny faran’ny herinandro iny ny famindram-pahefana teo aminy sy ny tale teo aloha. Nanaitra ny tsy nahitana ireo fitaovana hampiasain’ny tompon’andraikitra vaovao tao amin’ny toeram-piasana toy ny fitaovam-piasan’ny DRT, solosaina, na “machine à écrire” nampiasain’ny teo aloha tsy hita. Tamin’ny resaka nifanaovana tamin’ny tale vaovao no nahafantarana fa tsy manan-kambara ny tenany ny amin’ny tsy fisian’ny fitaovana hampiasaina. Tsy mbola misy rahateo ny tetibola natokana ho an’ny DRT. Hatreto aloha dia ny fitaovana azy manokana no anodinana ny toeram-piasana. Nisy ny famindram-pahefana natrehin’ny solontenan’ny minisitera avy eto an-drenivohitra. Laharam-pahamehana amin’ity tale vaovao ity ny fanarena-doha ny fizahantany amin’ny ankapobeny natomboka tamin’ny fitsidihana ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny tany an-toerana. Mahavelombolo, hoy izy, ny fampanantenana sy ny fahavononan’ireo tomponandraikitra hiara-kiasa. Hiara-kiasa matotra amin’izay rehetra tsara sitrapo ny tenany. Miainga amin’izany no heveriny fa hampiarin-doha haingana ity sehatra iray ity. Tsy ho ela, hisy ny fihaonana amin’ireo tomponandraikitra ara-toekarena, hamantarana ny zava-misy, olana sy ny vaha olana eo amin’ny fizahantany. Ny fandriampahalemana hiarovana ireo mpizahatany efa, misy paika sy tetika iarahana amin’ireo mpitandro ny filaminana, tsy hataony ambanin-javatra ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ireo “guides” na mpitari-dalana. Fanamby ho an’ny tale vaovao ny ho fanatsarana ny tobin-dranomafana ao Ambolo, tombanana fa anisan’ny antoka iray hampiroborobo ny fizahantany any Anôsy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.