Miteraka resabe ny mahakasika ilay mpanakanto Malagasy malaza D-Lain, izay nanambady lehilahy Frantsay mitovy taovam-pananahana aminy. Samy manana ny heviny ny fiarahamonina.
Ao ny manakiana ary ao ny milaza fa tokony hohajaina ny safidiny. Ho an’ny fikambanana politika Andrianiko Ny Tanindrazako, tarihin’i Andrianina Rajoharison, dia miantso ny hanasaziana mafy an’i D-Lain izy ireo manoloana ny foto-pisainana manala baraka nasehony, araka ny fahitan’ny fikambanana azy. Mila esorina aminy ny fanamarinana ny maha Malagasy azy satria tsy mendrika ny ho Malagasy intsony ny toy ireny, indrindra fa milaza azy ho mpanakanto, hoy izy ireo. Raha migadona an-tanindrazana dia mila samborina fa mandoto ny tany satria aretina mamoa-doza. Nohararaotina nalaina manokana ny hevitr’i Andrianina Rajoharison manoloana izao zava-misy izao.
Tia Tanindrazana (TT) : Ankoatra ny mpanakiana sy ny tsy mpankasikatra, maro ihany koa ny maneho hoe safidiny ny azy ary tsy manelingelina ny fahalalahan'ny hafa. Ny hevitrao ?
Andrianina Rajoharison (AR) : Ny “pédétisme” dia tsy fahalalahana. Aoka isika hametraka mazava izany. Raha ny tena marina dia mila fongorina tanteraka ireo satria manimba ny taranaka rehetra, tahaka ny namongorana ny pesta sy ny kôlera ! Manelingelina satria manimba ny taranaka amam-para.
TT : Ny fanjakana aza tsy taitra firy, porofon’izany ny kabarin’ny praiminisitra Kanadianina Justin Trudeau, izay nilaza ny tokony hamelana azy io malalaka nandritra ny fivorian’ny Frankofonia saingy tsy nisy sahy nanakiana, indrindra ny mpitondra. Ny hevitrao ?
AR : Isika tsirairay no mila mandray fepetra rehefa tsy mandray ny fanjakana. Mila fohazina ao amin'ny tsirairay ny maha fahavalo ireny ary tena fahavalo tokoa moa ka tsy mila hananana hantra. Tokony ho tonga saina ny ray aman-dreny Malagasy fa izao karazana tranga izao no manimba ny zanaka, satria ireo zaza ankehitriny ho lehibe rahampitso. Izahay dia nanakiana sy tsy nankasitraka iny kabarin’ny PM Kanadianina teto amin’ny tanintsika iny.
TT : Mila apetraka eto Madagasikara ve ny lalàna mandrara ny fahafahan’ny olona mitovy taovam-pananahana mivady ?
AR: Eny, ary mila sazy henjana sy hentitra satria manimba ny hoavin’ny taranaka. Jereo fotsiny ny halazan'izany hoe “generation 2000”, izay efa manomboka potika ara-toetsaina sy ara-pitondran-tena.
Nangonin’i Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.