Actualités

Andrian School Nanao varavarana misokatra


  • Alatsinainy 16 Jona 2014

Kely sisa dia hifarana tanteraka ny taom-pianarana 2013-2014.

Tsy vitsy, araka izany, ireo sekoly no miezaka mampahafantatra ny zava-bitany, anisan’ireny ny sekoly Andrian school etsy Andoharanofotsy. Varavarana misokatra notanterahina ny sabotsy lasa teo no nentin’ny sekoly nampahafantarana ny asan’ny mpianatra hatramin’izay, manomboka amin’ny kilasy TPS madinika indrindra 18 volana ka hatramin’ny 2 taona mifarana amin’ny kilasy CE na ireo ao amin’ny kilasy fahatelo. Tanjona raha araka ny fanazavan-dRanaivo Sylvie talen-tsekoly ny hampahafantarana ny ray aman-dreny ny asa vitan’ny ankizy isaky ny kilasy. Ho an’ireo madinika indrindra, ohatra, dia anisan’ny naseho ireo nahitany masoandro ny fahafehezany mandoko, mandrovitra, mametaka lakaoly, mampiasa ireo karazana fitaovana…Tsy vitsy ireo ray aman-dreny no variana, indrindra fa ireo reny miasa ivelan’ny tokantrano. Mampiavaka ity sekoly ity moa ny fampianarana ny mpianatra ny teny frantsay sy ny teny anglisy, ny fampianarana azy ny fomba fahandroan-tsakafo sahady, ny fananany toerana azo antoka. Tsy latsa-danja amin’ireo ny fitaizana ara-panahy sy ireo karazana kilalao maha malagasy antsika toy ny fanorona.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT