Actualités

Andriamana Philémon Tsy afa-misaraka ny fampandrosoana sy ny fahalalana


  • Zoma 25 Jolay 2014

Ny tanora no hoavin’ny firenena, hoy ny fomba fiteny nalaza tany amin’ny fiatombohan’ny taonjato faha-21 tany. Tsy mbola niova io fomba fijery io ho an’izao tontolo izao fa ny firenena isanisany no samy manana ny fandraisana sy ny fampiharana izany, araka izay mahamety azy avy. Ny sampanasan’ny Firenena mikambana misahana ny mponina moa dia nanamarika ny andron’ny 11 jolay 2014 ho fanomezan-danja manokana ny tanora ary anisan’izany isika eto Madagasikara. Vahinin’ny gazety Tia Tanindrazana amin’ity anio ity, Andriamana Philémon, tompon’andraikitra misahana ny tanora sy ny Vih/ Sida eo anivon’ny Fnuap. Resadresaka.

Tia Tanindrazana (TT) : Nomen-danja manokana ny tanora tamin’ity taona ity tao anatin’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny mponina. Inona no nahatonga izay ?

AP : Niantefa tamin’ny tanora ny safidy noho ny habetsahan’izy ireo satria ny ampahadimin’ny mponina manerantany dia tanora avokoa.

TT : Misy ifandraisany sy mifandraika amin’io tarehimarika manerantany io ny zava-misy eto Madagasikara ?

AP : Raha ny tontolon’ny tanora eto amin’ny firenena Malagasy indray no resahana ka horaisintsika manokana ny sokajin-taona manomboka amin’ny 10 hatramin’ny 24 taona, ohatra, dia mandrafitra ny ampahatelon’ny mponina izy ireo eo anivon’ny fiarahamonina manerana ny nosy.

TT : Inona kosa no antony nametrahana manokana ny toeran’ny tanora nandritra ny fanamarihana ny andro manerantany ho an’ny mponina tamin’ity taona ity ?

AP : Nasongadina tokoa ny toeran’ny tanora satria misy ny fomba fijery matetika ny amin’ny maha vesatra ny tanora ao anatin’ny fiainam-pirenena. Tsy voatery hitombina anefa io fomba fisainana io satria tena fanoitra lehibe ho an’ny fampandrosoana ihany koa izy ireo.

TT : Afaka mitondra fanazavana misimisy kokoa ve ianao mba ilazana fa fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny tanora ?

AP : Raha ireo tanora marobe ireo tokoa mantsy no mahazo ny fahalalalana izay tokony sahaza azy ireo toy ny miditra any an-tsekoly, afaka mandranto fianarana ho lasa manampahaizana ary voatohana sy ampy ara-pitaovana ihany koa dia azo ambara tsy am-pisalasalana fa hisy akony eo amin’ny lafiny fampandrosoana izany ao aoriana kely ao. Ny tsara homarihana ange dia tsy hisy mihitsy izany fampandrosoana izany raha tsy mirindra miaraka amin’ny fahalalana.

TT : Midika ve izany fa zava-dehibe ary tena ilaina ny fampidirana an-tsekoly ny ankizy ohatra ?

AP : Mazava ho azy fa raha afaka mianatra ny zaza rehetra dia tsy maintsy hisy vokany tsara eo amin’ny fandraisana anjaran’ny tsirairay izany ary tsy hanam-pahasahiranana amin’ny fameloman-tena izy ireo. Raha tsorina dia afaka miatrika tsara ny zava-misy amin’ireo karazana trangam-piainana mety hiseho ny olona nandia fianarana.

TT : Inona no tiana holazaina amin’ilay hoe fahafahana miatrika ireo karazana trangam-piainana mety hiseho ?

AP : Azontsika raisina ohatra be mpitranga ny vohoka mialoha loatra eto Madagasikara. Ny zava-misy amin’izay fotoana izay dia tapaka avy hatrany ny fanovozam-pahalalan’ireo tovovavy tratran’io toe-javatra mampalahelo io. Rehefa tsy afaka manohy ny fianarana ireo ankizivavy Malagasy ireo nefa tsy manana diplaoma dia misy akony ratsy amin’ny fiainany rahatrizay izany satria lasa asa tsizarizary ihany koa no tsy maintsy hotanterahan’izy ireo ho antom-pivelomana. Tsy mijanona ho azy ireo irery anefa izany tsy fahombiazana izany.

TT : Fa ho an’iza ihany koa ?

AP : Voalohany aloha dia fatiantoka ho an’ilay tovovavy solafaka eto amin’ny fiainany manokana fa eo ihany koa ny vokany ratsy ho an’ny fiarahamonina ary indrindra indrindra miteraka tsy fahombiazana ho an’ny firenena iray manontolo izay antony iray ihany koa io nisafidianana ny lohahevitra miompana tanteraka amin’ny tanora tamin’ity taona 2014 ity.

TT : Aiza ho aiza ary ny andraikitry ny tanora ao anatin’izay resaka natao teo izay ?

AP : Tsy tokony hiandry ny fanjakana foana ny tanora satria sady mpandray anjara izy no tompon’andraikitra ihany koa. Manana zo hilaza ny heviny sy ny filany ny tanora fa tsy hiantehatra amin’ny fomba fijerin’ny fanjakana fotsiny. Raha misy, ohatra, zavatra ilain’ny tanora na hitany fa tsy mety amin’ny fiainan’izy ireo dia zony ny manambara mazava izany. Torak’izany ihany koa tokony ho toetra hananan’izy ireo amin’ny fifandraisana amin’ireo zoky ray aman-dreny. Tsy midika anefa izany fa tsy manana andraikitra ny fanjakana. Ny zava-dehibe indrindra dia ny fifanakalozana sy ny fahaizana miara-misalahy ao anatin’ny fifanajana tanteraka.

TT : Ny teny famaranana hamintinana ny tafatafantsika teo ?

AP : Ny zavatra rehetra hatolotra ny tanora dia miteraka vokatra tsara na akony ratsy eo amin’ny fiainan’izy ireo any aoriana ka na inona na inona no mitranga eo dia ny tanora foana no tompon’ny ho avy. Karazana fanairana ny olona rehetra ihany no natao ny amin’ny hoe ireo tolotra haroso ny tanora ankehitriny no ho taratry ny fampandrosoana rahatrizay.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT