Manararaotra mitety ireo kaominina mandrafitra ny distrikan’Avaradrano amin’izao fotoana izao ireo solombavambahoakan’i Madagasikara mirahalahy avy amin’ny ankolafy
Ravalomanana, Andriahitantsoa Benjamin sy Randriambolaina Gerry. Kaominina 6 amin’ireo 14 no efa nanaovan’izy ireo tatitra sy miaraka amin’ny fihainoana ny hetahetan’ireo vahoaka. Ny alatsinainy izao moa no hifamotoana amin’ireo mponin’i Sabotsy Namehana izy ireo, araka ny fandaharam-potoana voafaritra. Nanamarika ny depiote Andriahitantsoa Benjamin fa mirindra tsara ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny fahefana mpanatanteraka manomboka any amin’ny fiadidiana ny Repoblika hatrany amin’ny fitantanam-paritra. Ny indro kelin’ny mpandrafitra kosa, hoy izy ny fotoana lava loatra amin’ny fandrosoan’ny eo anivon’ny governemanta ireo tolo-dalàna hiadian-kevitra sy holaniana eny anivon’ny Antenimieram-pirenena. Fampatsiahivana no nilazan’ny solombavambahoakan’i Madagasikara misolotena ny vahoakan’Avaradrano ny maha zava-dehibe ny fampiharana ny fampihavanam-pirenena, ny fanokafana ireo haino aman-jery nakatona sy ireo orinasa mamelona fianakaviana marobe toy ny Tiko, ny famoahana ireo gadra politika ary ny fampodiana ireo sesitany ka anisan’izany ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.