Raha nampanahy be ny mponina ihany tao ho ao ny mety hisian’ireo olona miditra an-tsokosoka ao Mahajanga amin’ny alalan’ny fiondranana amin’ny lakana avy
eny an-dranomasina noho ity toerana ity mifanakaiky loatra amin’ny nosy rahavavy Kaomoro dia fantatra fa efa voafehy tsara amin’izao fotoana izao ny fiarovana ny sisin-dranomasina any amin’ity faritra Andrefan’ny nosy ity satria dia ny tafiika an-dranomasina Malagasy mihitsy ankehitriny no misahana an’izany fanaraha-maso izany. Heverina fa ho voafehy araka izany koa ny sisi-dranomasina manerana an’i Madagasikara manontolo raha samy nandraisana an’io fepetra io avokoa.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.