Actualités

Andravoahangy tsena Namono tena tamin’ny poizim-boalavo ilay raim-pianakaviana


  • Alarobia 12 Aprily 2023

Raim-pianakaviana iray manodidina ny 30 taona mahery teo ho eo omaly maraina no namono tena tamin’ny poizim-boalavo teny Andravoahangy tsena.

Mbola hita teny an-tanany ilay fonosana poizim-boalavo nohaniny raha araka ny loharanom-baovao azo ka voatery nampisotroina atody manta avy hatrany ity lehilahy ity namonjena ny ainy. Olana ara-tokantrano moa no voalaza fa nanosika azy hanaotao foana tahaka izao. Tsy nety nahatsiaro tena mihitsy anefa izy nandritra izany ka voatery naiditra etsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Ankoatra ity lehilahy ity moa dia nisy ihany koa olona namono tena naiditra tetsy amin’ity hopitaly HJRA nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Paska sy ny alatsinain’ny Paska teo. Ankizy no betsaka hoy ny vaovao ka vehivavy ny iray. Amin’ny ankapobeny dia olana ara-pitiavana no manosika azy ireny hanaotao foana tahaka izany. Tafiditra ao anatin’ny haketrahan-tsaina tanteraka moa na depression ny famonoan-tena izany hoe : karazana aretin-tsaina ihany fa maivana hoy ny manam-pahaizana.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT