ANDRAVOAHANGY

Niakatra sahady ny rano, maimbo ny tanana


  • Talata 06 Mey 2025

Niakatrabe sahady ny rano teny Andravoahangy omaly Alatsinainy 05 May taorian’ilay orana

nirotsaka teto amintsika afak’omaly Alahady. Velon-taraina avokoa ny mponina sy ireo mpivarotra ary ny mpampiasa lalana vokatr’izany. Maimbo ny tanana. Nivangongo sy malama ihany koa ny fotaka aterak’izany hany ka tsy misy mahazo aina ny rehetra. Nambaran’ireo mponina fa vokatry ny tata-drano tsentsina eny amin’iny faritra iny no mahatonga izany. Tokony handray andraikitra mihitsy ny Kaominina isan’andro hanadio hoy izy ireo fa tsy hiandry mialohan’ny fotoam-pahavaratra vao mihazakazaka. Tena mijaly mantsy izahay ary mandavan-taona mihitsy no hiainana izany. Nomarihin’ireo mponina moa fa ankoatra ny fofona maimbo sy ny fotaka ary ny rano mihavosa maloto tahaka izao dia tsy maintsy manomana saran-dalana hitaingenana sarety ihany koa izy ireo mandrapidin’ny rano izay fandaniana hafa mihitsy.
Pati
Legende : Tahaka izao sahady ny rano teny Andravoahangy omaly maraina ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT