ANDRAVOAHANGY

Nanala ny rano be ny ekipan’i Tahina Razafinjoelina


  • Alakamisy 05 Desambra 2024

Fantatra tsara ny fahorian’ny mponin’Andravoahangy syny manodidina noho ny rano be isaky ny avy ora.

Tsy misy ny fahagagana indray mipi-maso, misy kosa anefa ny asa azo atao ho fanalana fahasahiranana . Izany indrindra no nataon’ny ekipan’i Tahina Razafinjoelina. Nahita ilay zava-misy, nitondra fitaovana toa ny Moto-pompe ka natomboka ny faran’ny herinandro ity ny fitrohana ny rano. Tazana omaly talata fa efa ritra ny rano. Tsy be resaka fa tonga dia asa. ASA ho an’ny tombotsoa iombonana. Santatra am-bavarano ihany iny natao iny, tahaka ny efa natao tamin’ny fanombohana ny Asa maharitra ho an’Antananarivo teny Andranomanalina, fa mbola betsaka ny azo atao . Any am-pelatanan’ny vahoaka mpifidy eto Iarivo ny fanapahan-kevitra, hisafidy ny vahaolana maimaika hitaingin-tsarety dia manao « selfie » foana ve sa hiroso amin’ny vahaolana mahomby sy maharitra amin’ny fanesorana ny rano.
Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT