Andravoahangy ambony

Peugeot 307 sy 2CV kila forehitra


  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Nitrangana ny loza ara-mekanika

mahatsiravina ny folakandron'ny sabotsy teo tetsy Andravoahangy Ambony, rehefa nirehitra tampoka ny fiara Peugeot 307 iray ary niparitaka tamin’ilay 2CV nijanona teo amoron-dalana ny afo. Araka ny fitantarana, ilay Peugeot 307 fotsy nidina avy eny Andravoahangy Fivavahana ho eny Rasalama no nanomboka nirehitra teo akaikin’ny toerana fantatra amin’ny anarana hoe “La 2CV”. Voalaza fa nisy olana ara-teknika ka nivoaka nanamboatra izany ny tompony. Nandritra ny fanamboarana anefa dia nisy akoson'aratra na "court-circuit" tampoka nahatonga ny firehetana. Niparitaka haingana ny afo ka nandoro tanteraka ilay Peugeot 307 ary nifindra avy hatrany tamin’ilay 2CV teo akaiky. Tsy nisy voavonjy intsony fa kila tanteraka ireo fiara roa tao anatin’ny fotoana fohy, na tonga teny an-toerana aza ny mpamonjy voina. Tsy mbola fantatra mazava ny fatiantoka ara-bola sy ny fanadihadiana ofisialy momba ny antony nahatonga ny loza, izay heverina fa hisy noho ny fanapotehana fananana.
Nangonin'i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT