ANDRANONAHOATRA

Havaozina asiana rihina ny biraon’ny kaominina


  • Alatsinainy 23 Jona 2025

Toy ireo Ben’ny tanàna lanim-bahoaka rehetra dia miezaka manatanteraka ireo fampanantenana

nataony nandritra ny fampielezan-kevitra ny Ben’ny tananan’Andranonahoatra Rasamison Haja. Miroso amin’ny fanavaozana tanteraka ny biraon’ny kaominina izy sy ny ekipany ankehitriny, asa izay efa tokony notanterahina ela saingy noho ny fiparitahan’ny valan’aretina COVID teto amintsika dia voatery naato. Raha araka ny fanazavany dia tena sahirana ny kaominina. Na ny karaman’ny mpiasa aza dia nambarany fa mila tsy ho voaloha saingy ny asa fampandrosoana tsy maintsy mandeha ihany. Ny fitaovana rehetra ilaina amin’ny asa fanamboarana araka izany dia avy amin’ireo malala-tanana sy tsara sitrapo avokoa izay mbola hanaovany antso avo hatrany. Hiantohan’ny kaominina kosa ny karaman’ny mpanamboatra. Efa mandeha ny asa na dia izany aza izay ezahina hasiana rihina iray ahitana efitrano roa lehibe natokana ho an’ny fivoriana sy ho an'ny mpanolon-tsaina. Chapiteaux maromaro avy amin’ny tetikasa Produir araka izany no natsangana mba hiasan’izy ireo vonjimaika aloha. Nomarihin’ity Ben’ny tanana ity moa fa tanjony ny hanatsarana sy hanomezana endrika ny kaominina. Ho an’ny vahoakan’Andranonahoatra no hanaovana izany hoy izy no sady hodimbiasan’ireo Ben’ny tanana hafa manaraka ihany koo.
Pati
Legende : Rasamison Haja, Ben'ny tanànan'ny kaominina Andranonahoatra 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT