Trano niisa 14 tafo indray no voatery noravana tao amin’ny fokontany Anosimboahangy, kaominina Andranomanelatra.
Olona niisa 150 amin’izao fotoana no tsy manan-kialofana vokatr’izany ka ankizy sy vehivavy no maro amin’izy ireo. Nambaran’Atoa Randriamampianina David, filohan’ny fokontany Anosimboahangy misy ity toerana ity fa “tsy afa-nanoatra ireo fokonolona fa dia fampiharana ny didim-pitsarana no natao ka dia navoaka ny entana ary narodana ny tranon’izy ireo”. Nohamafisiny fa tany efa nitoeran’ny ray aman-drenin’izy ireo hatramin’ny 80 taona ity nitoeran’izy ireo ity ary efa voajary sy nomaintisana molaly, izay tokony efa hananan’izy ireo zo tanteraka, saingy noho ny filazana indray fa misy manana taratasy dia tsy afa-nanoatra ny mponina. Manoloana izany moa dia nitondra izay tsirambin’ny tanana ny Ben’ny tanàna, Atoa Rasolofondramaria Andrianarisoa Renaud na Baina, fa manana adidy amin’ny fanampiana ny olona ao aminy ny mpitantana ka ny fiatrehana ny fidiran’ny mpianatra aloha no azon’ny kaominina atao, ka nanolorany “kit scolaire” ho an’ireo ankizy niisa 50 zanak’ireo mponina voakasika. Nampanantena koa ny tenany fa hitondra fanampiana ireo olona ihany koa izy ireo amin’ny fanorenana trano vaovao hafa indray amina toerana izay azo hanaovana izany aoriana ao. Tsy afaka nitondra fanazavana momba ny fanesorana ireo olona teo amin’ny tany nitoerana moa ny Ben’ny tanàna satria didim-pitsarana no nampiharina ka sarotra ho azy ny hanazava izany, na izy aza tsy nisy nampandre tamin’ny fandravana ny tranon’ireo mponina.
Caius R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.