Miparitaka eran’i Madagasikara ny vola vaovao sandoka. Mila ho isan’andro no ahenoana tranga vaovao.
Teto izao dia vola sandoka no saika hatao “dépôt” M’Vola. Tsy taitra ilay tovolahy fa toy ny mpanjifa rehetra no nahatongavany teo amin’ny taxi-phone iray ka handrotsaka vola no anton-diany teo, ary vola 10 000Ar no natolony. Efa mailo hatrany anefa ny olona ka nijery tsara ilay vola vaovao fa tsy nilaza taminy fa tsy izy ireo vola nentiny. Nasainy niandry aloha ilay tovolahy saingy teo anelanelan’izay dia niantso ny polisy mangingina izy. Tsy ela tokoa dia tonga ireto farany nantsoina. Vao nahita ny polisy ilay tovolahy dia nirifitra nitsoaka avy hatrany. Nifanenjehana eran’ny tanàna ka tratra ihany. Nitangorona ny olona ary be no tezitra ka efa nisy nikasa ny hanao fitsaram-bahoaka an’io tovolahy io. Nanao izay azony natao anefa ny polisy nitondra haingana ilay tovolahy hiala teo.
Caius R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.