Actualités

ANDRANOLAVA FÉNÉRIVE-EST Nitrangana haintrano mahatsiravina


  • Alarobia 08 Martsa 2023

Nitranga ny hain-trano mahatsiravina tao amin'ny Fokontany Andranolava, distrikan’i Fénérive-Est omaly atoandro tokony ho tamin'ny 11 ora sy 20 minitra.

Nianga avy tamin'ny afo tao an-dakozia ny loza ka niampita tamin'ny tranobe ary tsy voasakana intsony. Niitatra tamin’ireo trano lehibe manodidina izany ka miisa 5 ireo lasibatra. Ny 2 tamin'ireo farany no fantatra fa tranom-barotra. Vola mitentina 6.000.000 Ar miampy ireo entana rehetra tao amin'ilay tranom-barotra iray no may kila forehitra tsy nisy noraisina vokatr’izany ankoatra ireo entana tao amin’ireo tokantrano hafa izay lasa lavenona daholo ihany koa ny ankamaroany. Raha araka ny loharanom-baovao azo hatrany moa dia tsy mbola nahita nalefa ireo olona traboina mihoatra ny 40 isa hatramin’ny omaly hariva, fotoana nanoratanay.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandripandripaka tahaka izao ny afo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT