Actualités

Andramosabe- Amparafaravola Sahy mifanehitra amin’ny mpitandro ny filaminana ny jiolahy


  • Alarobia 03 Septambra 2014

Jiolahy nitondra basy mahery vaika no nifanehitra tamin’ny mpitandro ny filaminana ny faran’ny herinandro teo tany Andramosabe distrikan’Amparafaravola. Efa-dahy izy ireo no nitondra basy Kalack nentina handrobana fianakaviana iray mpiompy gisa tao Andramosabe

Raikitra ny fifanjevoana teo amin’izy ireo sy ny mpitandro ny filaminana. Lavon’ny balan’ny mpitandro ny filaminana ny iray tamin’izy ireo, ny hafa kosa tafaporitsaka. Fantatra fa herinandro talohan’io fanafihana io dia gisa 50 isa no norobaina ireo jiolahy. Marisarisa araka izany ny fandriampahalemana any amin’iny distrikan’Amparafaravola iny. Manohy ny ezaka ho fikarohana ireo olon-dratsy hatrany ny mpitandro ny filaminana ary miantso fifanomezan-tanana amin’ny vahoaka izy ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT