Efa hamidy eny an-tsena toy ny entam-barotra mihitsy ny rongony amin’izao ao Andralanitra ao.
Lehilahy 45taona no sarona nivarotra rongony tao amin'ny tsena Manantenasoa omaly Alakamisy 21 Desambra tokony ho tamin'ny 11 ora maraina. Polisy nanao fisafoana no nahatratra azy io. Somary kodikody Ingahirainy ka nosavaina avy hatrany. Vao nanatona anefa ireto farany dia nandositra izy saingy tsy tafaporitsaka fa voatazon'ny Polisy. Rehefa nojerena tao aminy dia rongony marobe no namidin’ity lehilahy iray ity ary rehefa nosavaina izy dia mbola nahitana fonosan-drongony 46 isa tena aminy. Noentina niazo ny biraon'ny Polisy tao Andralanitra io lehilahy io omaly maraina ihany mba ho atao famotorana. Nandritra izany anefa dia efa niaiky ny heloka izy fa efa mpivarotra rongony eny an-toerana matetika. Mbola karohina kosa ireo mpamatsy azy. Raha araka ny fantatra moa dia saika manjifa ny rongony hamidin’ity Rangahy ity avokoa na ankizy mpianatra na olon-dehibe ao Andralanitra ao.
Pati
Legende : Ity ilay Rangahy tratra omaly tao an-tsena !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.