ANDOHAROTSY SAKARAHA
Malalaka ny va¬rotra toaka gasy, mividy hatramin’ny mpitandro ny filaminana
« Mahavelona tsara ny fianakaviako ny fanamboarana toaka gasy raha mitaha amin’ny fambolena », hoy i Jeannot, raim-pianakaviana iray mpivarotra sady mpanamboatra toaka gasy ao Andoharotsy, kaominina Vineta, distrikan’i Sakaraha, manamorona ny lalam-pirenena fahafito iny. Amidy malalaka sy haseho miharihary be eny amoron-dalana ireo toaka voarara izay tsy fantatra intsony na misy fanaraha-maso na tsia ny kalitaony. Raha ny fanazavana azo dia ny kaominina mihitsy no manome alalana an’ireo mpamokatra.
Tsy misy bedy
« 3 000 ariary ny litatra amin’ ny toaka gasy lohany ary manome fanandramana ireo mpivarotra mialoha ny fividianana », hoy ny mpamily taksiborosy nasionaly iray mampitohy an’i Toliara sy Antananarivo, izay avy any Ambatolampy mpanjifa matetika eo. Nambaran’ i Jeannot fa dia ifandrobahan’ireo mpamongady ny ranomaheriny rehefa akaiky andro fety na misy fahoriana iny. Betsaka amin’ireo mpandeha taksiborosy ho aty an-drenivohitra na hidina an’i Toliara koa no mividy toaka gasy eo atao voan-dalana, hono. Tsy sarotiny firy ireo mpitandro ny filaminana eny an-dalana saingy tsy manaiky kosa ny mpamily raha mihoatra ny 5 litatra no entin’ny mpandeha iray. Maso mahita. Hatramin’ny tandroka aron’ny vozona sasany aza mividy sy misotro malalaka eo tsy misy fandrarana.
![]()
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.