Actualités

Andoharanofotsy : Zandary mamo nampihorohoro tamin’ny basy


  • Sabotsy 23 Janoary 2010

Nipoaka ny basy, nirarak’ompana ny teny ratsy mandratra sofina sy fandrahonana. Ny Zoma 22 janoary, tamin’ny fiafaran’ny tolakandro , no nitrangan’izany teny Andoharanofotsy, Atsimondrano

Nanaitra ny manodidina ny fipoahana tampoka. Zandary amperin’asa, miara-dia amina mpanao politika ao amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, no nahavanon-doza ary tsy mba iray fa efatra be izao, manao fanamiana ary mirongo basy, araka ny fitantaran’ny iray tamin’ireo niharan’ny herisetran’izy ireo. Fa ny loza dia tany amin’ny trano fisotroana no nisehoany. “Hita ho efa nandraindray zava-mahadomelina izy ireo”, hoy ny loharanom-baovao.

Toeram-pisotroana efa falehan’ireto zandary ireto ity nitrangan-javatra nanakorontana fiarahamonina tao Andoharanofotsy ity. Mitondra galona Adjudant sy GP1 na kilasy voalohany ireto zandary ireto. Teo am-pisotrosotroana dia mandeha ny adihevitra politika. Nisy ny tsy nahazaka ka dia nampiaka-peo ary niteraka fifamaliana tamin’ny tompon-trano, izay vehivavy. Tsy niato izany ka tonga hatrany amin’ny fikasihan-tanana sy fandrahonana tamin’ny basy “kalach”. Nirefotra tokoa ny basy. Bala tena izy no nampiasan’izy ireo. Mbola tavela tao an-tranon’ilay niharam-boina ny sisam-bala. Soa fa tsy nisy olona voa ! Niantso namana ilay mpivarotra. Tonga tokoa izany, ary nanontany ampahatsorana ireo zandary amin’ny anton’ny fifanolanana ka mahavoakasi-tanana ilay ramatoa mpivarotra. Poa tahak’izay koa dia nitangorona ny olona. Toa vao mainka naharomotra ireto zandary anefa ny fahatongavan’ny naman’ilay mpivarotra, izay tsy nampoizin’ireo nandrahona fa mpanao gazety sy ny olona teo an-tanàna. Voakasi-tanana sy voarahona tamin’ny basy izay rehetra teny anoloan’izy ireo. Izy ireo rahateo mirehareha ho mpanao haiady ikoizana, ary tsy nihambahamba naka an-keriny ny findain’ilay mpanao gazety, saingy tsy azony izany. Mampitaraina ny mponina eny Andoharanofotsy eny ny fihetsik’ireto zandary ireto. Tsy vao izao no nisiana asa fampihorohoroana ataon’izy ireo, araka ny fitantaran’ny niharam-boina teny an-toerana. Mandefitra ny olona noho ny hery tsy mitovy. Hitondra ny raharaha eny anivon’ny manam-pahefana ireo niharam-boina ka dia ho hita eo ny tohiny.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT