Niverina indray ny trangana fanafihana mitam-piadiana tato ho ato. Ny faran’ny herinandro teo dia tokantrano iray teny Andohoranofotsy ana mpanakanto efa maty, dia i Railola no notafihin’ny jiolahy miisa 5 mirongo fiadiana ka ireo vady aman-janany no lasibatra tamin’izany.
. Raha ny fanazavana nomen’ny tompon-trano dia ny telo tamin’ireo jiolahy no niditra tao an-trano fa ny roa kosa niandry teny ivelany. Fantatra fa very tamin’izany ny solosaina entin-tanana, finday, vatamaroafitsoka na (synthétiseur), firavaka volamena ary ny vola rehetra tao an-trano. Nodarohan’izy ireo ilay tovolahy zanaky ny tompon-trano ka naratra sy nivonto ny lohany. Ny renim-pianakaviana kosa nambanan’izy ireo ny basy ka tsy afa-nihetsika. Tsy afaka niantso vonjy tamin’ny manodidina moa izy ireo noho ny toerana izay somary mitokantokana. Efa nametraka fitoriana eny amin’ny manampahefana eny an-toerana izy ireo ka miandry izay ho tohiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.