Actualités

Andoharanofotsy Mampialavoly ny Kaominina


  • Talata 12 Septambra 2017

Miezaka mijery ireo ankizy mahay ao amin’ny faritra iadidiany ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Andoharanofotsy amin’izao famaramparanana ny vakansy lehibe izao hahafahan’izy ireo miala voly kely.

Ankizy 50 mianadahy no nentiny nitsangantsangana maimaimpoana any Foulpointe niainga ny faran’ny herinandro teo niaraka tamin’ny fikambanana Liampandrosoana. Ankizy 10 ka hatramin’ny 15 taona, notsongaina avy amin’ireo fokontany valo ao amin’ity kaominina ity izy ireo. Tanjon’ny kaominina ny hahafahan’ireo ankizy ireo mitsangantsangana sy mialavoly, indrindra fa ho an’ireo sahirana ara-pivelomana tsy manana fahafahana ho amin’izany. Araka ny fanazavana azo dia natoro ny tokony hataony tsara ny mpamily nitondra azy 50 mianadahy sy ireo tompon’andraikitra misahana azy ireo. Nakana taratasy fahazoan-dalana avy any amin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety ihany koa ny fiara. Misy lehibeny mitondra ihany koa ny ankizy. Anisan’ny toerana hotetezin’izy ireo ny faritra manan-tantara rehetra any Atsinanana, indrindra fa ireo misy ranomasina.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT