Nahitana fiovana lehibe tokoa ny kaominina ambanivohitra Andoharanofotsy hatramin’ny taona 2008
. Azo ambara fa misongadina sy hita taratra ireo asa fampandrosoana notanterahan’ny mpitantana teny an-toerana tao anatin’izay fito taona izay. Efa misitraka sy miaina ireo ezaka fampivoarana ny fiarahamonina ireo ny vahoaka ao anatin’ireo fokontany 8 eny an-toerana amin’izao fotoana izao. Ankoatra ireo asa mivaingana mifandraika mivantana amin’ny fiainan’ny mponina toy ny fananganana trano fidiovana, ny famatsiana rano fisotro madio, ny jiro fanazavana ny tanàna miaraka amin’ny fanadiovana dia porofo mitohoka amin’ny tendany ny firoborobon’ireo fotodrafitrasa marobe ao amin’ity kaominina iray ao anatin’ny distrikan’Atsimondrano ity. Lohalaharana amin’izany ny fanamboaran-dalana ka efa tontosa ny 70% ankehitriny. Tsy afa-misaraka amin’io ny fahaizana misafidy ireo lakandrano mifanaraka amin’ireo karazan-dalana misy. Asa sosialy nanamarika ny fitantanana ny tanàna tao anatin’ny 100 volana latsaka ihany koa ny fitsinjovana sy fanampiana ireo fianakaviana sahirana izay tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miombon’antoky ny kaominina sy ny sehatra tsy miankina. Reharehan’ny mponin’Andoharanofotsy manokana moa ny fijoalajoalan’ny lapan’ny tanàna izay tontosa tao anatin’ny fotoana fohy monja.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.