Actualités

Andian-jiolahy mitam-piadiana Ny polisy misambotra, ny mpitsara mamoaka ?


  • Sabotsy 09 Aogositra 2014

Mihantsy mpitandro ny filaminana ny jiolahy ao Toamasina. Betsaka ihany izay voasambotra izany, fa tsy mihambahamba tsotra izao ny sasany no miteny fa “tsy haharitra ela any am-ponja izahay dia hivoaka”, dia miverina amin’ny asa ratsy fanaony indray

. Lasibatra izao omaly ny tranombarotra iray ao Bazary be sy ny Telma M’Vola ao Ankirihiry. Noraofin’ireo jiolahy avokoa ny vola rehetra tao am-pivarotana. Fantatra anefa fa efa nisy jiolahy valo lahy voasambotry ny polisy. Misy amin’ireo no nandray anjara tamin’ireo fanafihana tranombarotra nisesy tao Toamasina tato ho ato. Ny mahagaga anefa, araka ny fitarainan’ireo voaroba,  dia “misy izany mpitsara izany miezaka manelanelana mba hamotsorana ireto jiolahy ireo”. Raha izay tokoa no hitranga dia tsy hahagaga raha hirongatra ny asan-jiolahy ao Toamasina ary izy ireo no hifehy ny tanàna.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT