Nanaitra ny olona nanodidina ny Abatoaran’ Antsirabe ny poa-basy nirefodrefotra omaly maraina. Nahazo loharanom-baovao ny polisy fa misy jiolahy raindahiny efa ela nokarohina miafina amina trano iray tao amin’ny manodidina ny Abatoara
Vao maraina dia efa niandry ilay trano ny polisy satria voaporofo fa tao tokoa izy. Asa na efa mailo ilay jiolahy fa nitsambikina tamin’ny varavarakely avy tany an-damosin’ny trano no sady nilanja sabatra lavalela iray. Tsy nampoiziny fa efa voahodidin’ny mpitandro filaminana ny trano ka mbola nikasa hitsoaka ihany izy. Efa mailo anefa ny polisy ka voatery nitifitra azy tamin’ny tongony ka noraisim-potsiny. Nentina notsaboina ao amin’ny hopitaly izy. Raha ny nambaran’ny Kaomisera Talily Damy dia aorian’ny fivoahan’ny hopitaly no hanombohana ny fanadihadiana azy. Tratra niaraka taminy koa ny roalahy izay niaraka taminy tao saingy tsy namaly ny mpitandro filaminana kosa izy ireo. Voamarina fa vao avy nidoroka rongony izy ireo satria mbola nisy ny tratra teny aminy ankoatra ny fofona nidofaka eran’ny trano.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.