Ela nitoratorahana ka dia voasambotry ny polisy ny faran’ny hejrinandro teo Ralotso, jiolahy anisan’ny rain-dahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana ao Toamasina.
Niara-tratra taminy koa ireo namany miisa fito ka vehivavy ny iray ary tovolahy manan-kilema amin’ny tongony ny iray. Nisy basy PA iray vita vahiny sy fitaovana fitondra mamaky trano tratra tany amin’izy ireo. Ity ekipan-dRalotso ity no tompon’antoka tamin’ny fanafihana mpamongady roa tao Mangarano farany teo. Mbola misy basy iray tadiavina izay voalazan’ilay tovolahy manan-kilema fa nentin’ny zokiny any Mananara Avaratra hanaovana “mission”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.