Fepetra mety amin’ny fanatodizana sy ny fahafoizan’ny zana-balala ny rotsakorana nanomboka tamin’ny faramparan’ny volana septambra tamin’ny faritra sasany.
Rehefa ilay mandomando iny ny tany sy mihamaitso ny ahitra no tena fotoana itrangan’ireo. Araka ny tatitry ny FAO dia faritra maro no nahitana zana-balala efa mitsiry elatra na efa efa lehibe ny sasany. Misy no mandrakotra 3 600 ha ary mahatratra 1 alina ha aza izany amin’ny faritra sasany araka ny tatitra azo nandritra ny sidina natao tamin’ny 26 septambra. Mikisaka mianavaratra ny faritra nahafoizany izy ireo ary heverina koa ny hisiany amin’ny ilany andrefana amin’ny tapak’ity volana novambra ity. Marihina fa manampy manampahaizana manokana momba ny “système d’information géographique” na SIG, vahiny sy teratany izay hanampy azy mandritra ny 1 volana mihitsy ny “cellule de veille acridienne”. Mandrafitra anaty sarintany ny vaovao ampitain’ireo angidim-by manaramaso ny fivoarana sy ny lalan’ny andiam-balala hanamora ny famonoana azy ireo teknisianina momba ny SIG ireo. Araka ny vaovao nampitain’ny FAO ihany dia efa hiasa tsy ho ela ny ivontoerana 2 fiaingan’ireo fiaramanidina mamono ny valala ao Tsiroanomandidy sy Ihosy. Efa voavolavola ka haparitaka koa ny drafitra ara-pahasalamana sy ara-tontolo iainana miaro mba tsy hisy voka-dratsy amin’ny mponina sy ny famboleny ary ny fiompiany ny fampiasana ny ranom-panafody ampiasaina. Efa tonga moa ny 1/3-n’ny fanafody avy any Maroc izay mitotaly 2 hetsy litatra raha an-dalam-pikarakarana ny fahazoana ireo 3 alina litatra avy any Mauritanie isika izao.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.