Mba tsy hovolosana lava e !

Mafy ny diplaomasia sy ny jeopolitika


  • Talata 12 Mey 2026

eran-tany, samy manao ny fiadiny

ireo firenen-dehibe, ao ny mampiseho vangy, ao ny mandangolango,... Maka ny fon'ireo firenena Afrikanina indrindra fa ireo manana harena, miezaka maneho firahalahiana, firaisana ara-kolontsaina, manohana ara-bola, manohana ara-pitaovana,... Tsy misy maharatsy an'izany ary betsaka ny Firenena no mbola tena tsy afaka tena miala amin'ireo rafitra ara-bola. Ho an'i Madagasikara, efa nametraka ny diplaomasia sy fiaraha-miasa misokatra amin'ny vazan-tany 4, saingy ny irariana dia tsy basina 100 000dolara mivadika harena 1 miliara dolara, tsy fampindramam-bola 100 tapitrisa dolara sandaina sehatra stratejika na harena 1 miliara dolara,… Raha ny tena izy, ny fifaninanana ara-jeopolitika dia tsy mifarana amin’ny sehatra ara-toekarena ihany fa miditra lalina amin’ny sehatra ara-kolontsaina sy ara-tsaina. Ny firenena lehibe dia miezaka mametraka ny fombany sy ny fomba fijeriny amin’ny alalan’ny fanohanana ara-bola sy ara-pitaovana, ary indraindray amin’ny alalan’ny fanentanana ara-kolontsaina. Ho an’ireo firenena Afrikanina, indrindra ireo manana harena voajanahary, dia lasa sehatra ifaninanana, ka ao ny tafavoaka, ao lasa miady an-trano. Ho an’i Madagasikara, ny fanamby dia ny hahafahana manova ny fifandraisana ara-diplaomasia ho lasa tena tombontsoa azo tsapain-tanana: tsy hoe fanampiana tapi-maso fa volosana lafa, fa mba tetikasa lehibe maharitra sy mahasoa ny vahoaka. Ny irariana dia ny hahazoana fiaraha-miasa izay mitondra fandrosoana maharitra, manampy amin’ny fananganana fotodrafitrasa ilain’ny vahoaka, manome fahafahana ho an’ny tanora, mampiakatra ny toekarena, mampivelatra ny sehatra stratejika toy ny angovo, ny harena an-kibon’ny tany, ary ny fambolena.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT