Randrana sendikaly

«Vita ny adihevitra mikasika


  • Talata 12 Mey 2026

ny karama farany ambany, samy afa-po…»

Vita ny adihevitra mikasika ny karama farany ambany aty amin’ny sehatra tsy miankina, hoy ny Randrana sendikaly, omaly. Samy afa-po tamin’ny sosonkevitra natolotra ny eo anivon’ny minisitera, hoy ny sekretera Jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga. Samy niezaka na ny mpampiasa na ny sendika niala tamin’ny sosokeviny tany am-boalohany, hoy izy. Ny mpampiasa teo aloha tsinona niziriziry tamin’ny 300.000 Ariary raha toa ka 360.000 Ariary hoy ny sendika. Ny eo anelanelan’io izany no andrasana rehefa napetraka eo anivon’ny fanjakàna ilay izy. Tsy tokony hihoatran’ny amin’ny herinandro ny fivoahan’ny didim-panjakana momba azy io, araka izany. Somary nanahirana ny rehetra ny nahita ilay fanamarihana ny fetin’ny asa ho lasa fetim-panjakàna tamin’ity taona ity saingy isaorana na izany aza ny fitondràm-panjakàna nandray ny sosokevitra ary antenaina hoe tsy ho ela intsony dia hivoaka izay didim-panjakàna mikasika ny karama farany ambany izay. Somary nampalahelo farany teo ny hoe minisitera miisa 5 voakasika tonga nivory momba azy io fa ny mpampiasa indray no tsy tonga fa nandefa taratasy fotsiny. Inoana fa efa mihoatra ny 300.000 Ariary ny sora-bola voalaza tao anatin’izany taratasy izany, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fanapahana momba ny
  • Talata 12 Mey 2026

karama farany ambany

  • AMPANIHY ANDREFANA
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Namoy ny ainy ny 2 tamin'ireo zaza kambana 3

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

Hijery ny tohiny
FTT