Actualités

ANDAVAMAMBA Voaendaka sady voadaroka ilay ramatoa


  • Alarobia 10 Septambra 2014

Jiolahy roa no nanendaka ramatoa iray avy niasa tratra hariva handeha hamonjy fodiana vao avy niala tamin’ny fiarakaretsaka nandehanany, afak’omaly alina, tokony ho tamin’ny valo ora latsaka, tetsy Andavamamba Anjezika, tsy lavitra ny biraon’ny Jirama

Tsy nanaiky lembenana ilay ramatoa fa nanohitra tamin’ny fakana an-keriny ny poketrany, kanefa vono sy daroka niampy ompa variraraka no setriny. Niezaka niantso vonjy teo amin’ny manodidina ny niharam-boina nefa tsy nisy nanohina, na dia nisy olona aza tsy lavitra teo. Rehefa azon’ireo jiolahy mbola tanora ireto kosa ny rembiny dia nitsoaka niditra elakela-trano izy ireo ka nadio ny rano nitany. Lelavola enina alina ariary sy finday avo lenta roa no lasan’ireo jiolahy, hoy ny nambaran’ilay ramatoa niharam-boina. Noho ny ratra sy dona mafy nihatra taminy teo amin’ny lohany (handrina sy hatoka) dia tsy mbola afa-mihetsika sy miondrika ny tenany hatramin’izao ora anoratanay izao ary mbola manaraka fitsaboana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT