Actualités

ANDASIBE Nisokatra tamin’ny sabotsy ny valan-javaboahary


  • Alatsinainy 07 Septambra 2020

Nisokatra tamim-pomba ofisialy nanomboka ny sabotsy teo ny valan-javaboarahin’i Mantadia ao Andasibe any amin’ny lalam-pirenena faharoa taorian’ny 5 volana nikatonany vokatry ny fiparitahan’ny valan’aretina coronavirus teto amintsika.

 

Hatreto dia mbola tera-tany Malagasy avokoa ny ankamaroan’ireo tonga nitsidika tany an-toerana tamin’io andron’ny Sabotsy io ka anisan’ireny ireo mpanao vakansy. Na izany aza mbola vitsivitsy ihany izy ireo. Vao teo am-pidirana dia efa tsy maintsy alaina hafanana ny mpitsidika, tsy maintsy manao aron-tava ihany koa ankoatra ny fampiasana ny gel famonoana mikraoka ahosotra amin’ny tanana no sady manaja ilay elanelana 1 metatra. Nankasitraka feno izany fihetsika feno fiarovana izany ireo mpitsidika tamin’ny ankapobeny no sady mbola manantena hatrany ny hitohizany ho fiarovana ny fahasalaman’ny isam-batan’olona. Ny Madagascar National Parks moa no tonga tany an-toerana nanao ny fanokafana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT