Actualités

ANDAPA Sady nahazo volan-jaza no nahazo fiofanana avy amin’ny CNaPS


  • Alatsinainy 08 Septambra 2014

Nanomboka ny Talata 2 ary nifarana ny Zoma 5 Septambra lasa teo ny fanofanana nomen’ny ekipan’ny “Service d’Actions Sanitaires et Sociales” (na ny SASS) eo anivon’ny Tahirimpirenena ireo orinasa mihodina ao anatin’ny distrikan’Andapa

Nampahafantarina nandritra ny efatra andro ny adidy tsy maintsy ataon’ny mpampiasa sy ny zo tokony ho azon’ny mpiasa sy ny vady aman-janany ho an’ireo mpiasa fehezin’ny Satan’ny asa eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Nandray anjara tamin’izao atrikasa izao ireo mpiasa sy mpampiasa miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana toy ny mpitantana trano fandraisam-bahiny sy ny sekoly, ny fikambanana relijiozy sy ny maro hafa, miampy ireo tompon’andraikitra avy amin’ny orinasam-panjakana mampiasa ECD toy ny Ben’ny Tanàna.

Politikan’ny Tale Jenaralin’ny CNaPS Arizaka Rabekoto Raoul amin’izao fotoana izao ny fanakaikezana ny vahoaka sahaniny na izany amin’ny alalan’ny CNaPS mitety Vohitra na amin’ny alalan’ny fiofanana toy izao. Anisan’ireo nahazo tombontsoa tamin’ny fiofanana tao Andapa Ramatoa Banomeny Hambazoky mpampianatra FRAM avy ao Ambalamanasy II. Nahafinaritra azy ny atrikasa satria nahafantarany ny atao hoe CNaPS sy ny zo tokony ho azony amin’ny maha mpiasa azy. Izy rahateo dia iray amin’ireo mpampianatra FRAM miisa 405 mpikambana eo anivon’ny Tahirim-pirenena raha toa ka mahatratra 2 815 ny isan’ireo mpampianatra ENF ao anatin’ny Distrikan’Andapa.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT