Actualités

Andapa Nidina an-dalambe ny vahoaka


  • Alatsinainy 06 Jolay 2015

Vahoaka an-jatony no nidina an-dalambe tonga tany Andapa ny sabotsy 4 jolay teo nitaky ny famotsorana tsy misy hatak’andro ireo olona enina nosamborin’ny zandary tany amin’ny Kaominina Ankiabe Nord ny alin’ny zoma hifoha ny sabotsy 4 jolay 2015, anisan’izany ny Ben’ny tanàna sy ny lefiny.

 

 Nisy lavalina milanja 35 kilao sarona tao anaty fiaran’ny zandary nandritra ny fisavana nataon’ny andrimasom-pokonolona teo amin’ny sakana na «barrage économique» ny 25 jona 2015 tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Nandeha ny resaka teo fa nahazoana alalana avy amin’ny fitsarana ny fitondrana ireo lavanila ireo. Voarara amin’iny faritra iny anefa ny fitondrana lavanila mivezivezy mialoha ny fisokafan’ny taom-piotazana lavanila. Tsy nahafaly ny zandary ny fisavana ny fiaran’izy ireo ka nisy be midina nataon’izy ireo ny sabotsy 4 jolay vao mangiran-dratsy, nisambotra olona enina. Tsy nahafaly ny vahoaka tany an-toerana izany, izay heverin’izy ireo fa fanararaotam-pahefana, ka nirohotra nanao dia be tonga hatrao Andapa izy ireo mitaky tsy misy hatak’andro ny hamoahana azy enin-dahy ireo. Ny alin’io sabotsy 4 jolay io ihany moa izy ireo dia navotsotra.


 

Nangonin’i Jean D

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT