ANDAPA

Mpifankatia nifamaly, niara-hita faty izy roa


  • Alakamisy 23 Novambra 2023

Sady mamono no mamelona ny fitiavana. Tovolahy sy tovovavy kely, mpifankatia izay vao samy 19 taona

no fantatra fa niara-hita faty tany Antsahamahitsohitso, kaominin'i Doany, distrikan'Andapa, afak’omaly 21 Novambra folakandro. Ilay voalohany izany hoe : ilay tovovavy nahitan'ny dokotera sy ny zandary dian-java-maranitra lalina teo amin'ny lohany.Ny razana faharoa kosa na ilay tovolahy dia hita nihantona tamin'ny hazo. Voagejan'ny tady ny tendany nandritra izany. Raha ny fanazavana niainga tamin'ny fizahana sy ny fanadihadian'ny manam-pahefana dia notombonan’izy ireo ho nofirain'ilay tovolahy tamin'ny antsibe ilay tovovavy sakaizany. Rehefa matiny tsara ity farany dia nananton-tena koa izy. Nilaza tamin'ny zandary moa ny fianakaviana fa, nifamaly izy roa kely ireo, ny Sabotsy lasa teo ka mety izay no anton’izao fisafidianana ho any amin’ny varo-tsy mifody izao indrindra fa ho an’ilay tovolahy, raha tsy nanam-pidiny kosa ilay tovovavy.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay tovolahy efa nihantona tamin’ny tady tahaka izao no hita ny fatiny !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT