Sainam-pirenena fotsy, mena, maitso, raha ny mahazatra hatramin’izay, miaraka amin’ny arendrina no andravahana ny tanàna rehefa akatoky ny fetim-pirenena toy izao sy ao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena koa moa izany, mazava ho azy.
Ny eto Antananarivo, renivohitr’i Madagasikara, moa efa niteraka resabe hatramin’ny herintaona ny fandokoana ireo toeram-panjakana maro ho volomboasary. Mipetraka koa ankehitriny ny fanontaniana mikasika ny zava-misy ao Andapa ao raha toa ka mahita ireo ravaky ny tanana izay miloko volomboasary. Fetim-pirenena ve no hankalazaina sa fetin’ny filoham-pirenena sy ny antoko na vondrona politikany?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.