Actualités

Andafiavaratry ny Rovan’i Manjakamiadana Nivadika ho resabe ilay haintrano sy setroka be


  • Zoma 06 Novambra 2020

Nisehoana haintrano teny Ambavahadimitafo eny Andafiavaratra kelin’ny Rovan’i Manjakamiadana omaly atoandro, ary nidonaka nanaka-danitra ny setroka tazana avy lavitra.

 

Trano somary tranainy iray io nirehitra sy namoaka setroka nanaka-danitra io, izay voalaza fa efa tsy nisy nipetraka nandritra ny volana maro, raha ny serasera nivoaka. Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina, ka voafehy vetivety ny afo, notapahan’ny Jirama ny jiro. Somary mahagaga ihany ny filazana fa tsisy mipetraka kanefa nahoana no nirehitra? Nahoana no mbola misy herinaratra ao anatiny? Nifandrify indrindra tamin’ny andro nahatongavan’ilay satroboninahitry ny tatarom-piandrianan’ny Mpanjakana Ranavalona III teny Anatirova, nisian’ny lanonana teny an-toerana moa. Asa tokoa na fifandrifian-javatra ihany na loza efa ho avy, fa zary niteraka fanehoan-kevitra samihafa. Tao ny olona nilaza fa loza tahaka ny loza rehetra, tao ny naneho hoe: io ary fa miseho sahady ny loza vokatry ny fanontana fady. Nisy rahateo ny fanehoan-kevitra sy fanentanana nataon’ny Lehiben’ny taranak’Andriana, mba tsy hiakarana eny an-dRova amin’ny lanonam-pitokanana hataon’ny Mpitondra. Nambarany fa miteraka ozona sy loza ho an’ny firenena io. Samy manana ny andraisany azy, samy manana ny fanehoan-keviny ny olona. Tsetsetsa tsy aritra sy fampahatsiahivana fotsiny ihany koa no ilazana fa ny takarivan’ny 19 janoary 2020 taorian’ny fahavitan’ny fihanianan’ny Filoha Rajoelina dia efa nisy ilay loza nahatsiravina, firodanana sy fihotsahan’ny tany teny Andohalo, izay namoizana ain’olona maro.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT