Nosamborin’ny Polisy misahana ny heloka bevava sakelika faha-4 etsy Anosy, ny alatsinainy teo ny renim-pianakaviana iray, 24 taona, izay nanindrona antsy ka nahafaty ny vadiny tetsy Anatihazo Isotry.
Resaka adin’ny mpivady izy io. Marihina fa efa nisaraka izy mivady ary ilay ramatoa no mitaiza ny zanak’izy ireo. Ny Alahady 15 jona 2014 rehefa handeha hijery ny zanany any amin’ny reniny ilay rangahy tokony tamin’ny 1 ora tolakandro dia efa nandrasan’ilay ramatoa tamin’ny hazo. Rehefa tonga tany ilay rangahy dia raikitra ny ady ka dia naharay antsy ilay rangahy ary dia notsindroniny ilay ramatoa, ka teo amin’ny tanany no voa. Voarain’ilay ramatoa ilay antsy ka dia natsindrony tamin’ilay rangahy ka voa teo amin’ny tratrany sy ny hatony. Nandriaka ny ra ka dia nentina teny amin’ny hopitaly izy mivady saingy tsy tana intsony ny ain’ilay rangahy. Niaiky ilay ramatoa fa nanindrona antsy ny vadiny. Marihana fa vao teraka am-bolana ity renim-pianakaviana ity ary natolotra ny fampanoavana omaly.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.