Tsy fitrandrahana intsony no atao amin’ny «bois de rose» na ny andramena any amin’iny faritra Analanjirofo iny fa fandravana ity hazo sarobidy ity mihitsy, araka ny vaovao.
Tsy mifidy toerana na habe ireo jiolahy maka ny andramena. Hatrany anatin’ny valan-javaboary avy no trandrahan’izy ireo. Velon-taraina ireo mpandraharaha sasany, satria misy ny mizana tsindrian’ila. Araka ny fanazavana, dia ireo mpandraharaha avy any Antalaha sy Sambava no mahazo fahazoan-dalana fa voalika ankolaka ny avy any Mananara sy Maroantsetra. Raha ny vaovao, dia fandrahonana no mahazo ireo mpandraharaha ireo, raha mitady hikirakira andramena ny any Mananara sy Maroantsetra nefa any an-toerana no iavian’ity hazo sarobidy ity. Vokany, mitombo ny tahiry, ny eo tsy lany, ary ny fahazoan-dalana tsy omena. Sambo roa isan’andro, raha ny fanazavana no tonga ao Mananara maka izany hazo sarobidy izany. Ireo mpandraharaha ao an-toerana anefa tsy omena alalana. Ankoatra ireo rehetra ireo, araka ny vaovao, dia tsy madoa tamberimbidy amin’ny kaominina ireo hazo mivoaka avy ao an-toerana. Amin’ny alina rahateo moa no hanaovana ny asa rehetra. Manoloana izany, dia manao antso avo amin’ireo manampahaizana sy tia tanindrazana avy any Analanjirofo sy Malagasy rehetra ary ny fianakaviambe iraisam-pirenena mba samy handray ny andraikitra tandrify azy manoloana izao fandravana ato amin’ny faritra izao.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.