Actualités

Analamanga Park Hiverina hisokatra indray 10 taona aty aoriana


  • Talata 06 Oktobra 2020

Hiverina hisokatra tsy ho ela ilay toeram-pitsangatsanganana Analamanga Park any amin’ny lalam-pirenena faha-7 rehefa nikatona nandritra ny 10 taona.

 

 

 

 Efa miroso amin’ny asa fanavaozana sy fikarakarana ny foto-drafitrasa ankehitriny ireo tompon’andraikitra ao an-toerana hahafahana mamerina amin’ny laoniny ireo toerana fialam-boly eto amintsika izay tsy mijanona ho an’ny mpiray Tanindrazana ihany fa ho an’ireo teratany vahiny ihany koa. Raha araka ny fantatra mantsy dia anisan’ny nampihena ny fidiram-bolan’ireo tantsaha mpamokatra sy mpanao asa tanana any amin’iny kaominina Ambalavao Atsimondrano iny ny fikatonan’ity toeram-pitsangatsanganana iray ity. Mahatsapa ho sahirana noho izany ihany koa ny kaominina, antony nanosika ny Faritra Analamanga hanome tosika ny famelomana indray ivon-toerana manana ny maha-izy azy tahaka izao. Tsiahivina moa fa ankoatra ireo karazana kilalao maro samihafa sy lomano azo hatao ao amin’ny Park Analamanga dia misy ihany koa ny trano fandraisam-bahiny ho an’ireo izay mikasa ny hatory any an-toerana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT