Actualités

Analamanga Park “Bungalow” 3 may kila forehitra


  • Alatsinainy 02 Oktobra 2017

May ny ampahany amin’ny toeram-pitsangantsanganana Analamanga Park eny amin’ny lalam-pirenena faha-7 omaly alahady 01 oktobra 2017.

 Doro tanety nanomboka ny alin’ny sabotsy ary niitatra no ahiana ho niteraka izany, rah any fijerin’ny zandary. Nanokafana fanadihadiana izany ary ireo mpandoro tanety no mety ho samborina satria niteraka fahasimbana entan’olona ny nataony. Satria « Bungalow » 3 no may tsy nisy noraisina. Somary lavitry ny renivohitra ny toerana, ka ireo mponina manodidina aloha no niara-nifarimbona namono ny afo, nialoha ny nahatongavan’ny mpamonjy voina tany an-toerana. Voafehy tanteraka ihany anefa ny afo taorian’izay. Sesilany ny doro tanety amin’izao ary saika manerana ny Nosy mihitsy. Vao ny 12 septambra lasa teo no nahamay ny ampahany tamin’ny valanjavaboary tany Isalo any amin’ny faritra Ihorombe. Mandripaka ihany koa ny doro tanety manamorona ny lalam-pirenena faha-44 mihazo an’Ambatondrazaka amin’izao fotoana Ampahany ihany ireo notanisaina ireo, fa saika ny faritra rehetra no may tsy nahy na hiniana atao mihitsy. Mampametra-panontaniana hoe ny lalàna ve no goragora, ka zary vitavita ho azy ny fandoroana amin’izao fotoana ? Sazy henjana anefa no miandry ireo tompon’antoka amin’izany, saingy tsikaritra ho tsy mba mizaka ny helony ireo tompon’antoka. Toa variana amin’ny vono afo politika vokatry ny tsy fahaiza-mitantana ny fanjakana satria maro loatra ireo olana eto amin’ny firenena, ka tsy mahita ireny zava-doza ireny intsony. Mbola porofon’ny tsy fahombiazan’ny fanjakana HVM hatrany izao zava-misy izao, ary tsy tokony hoboriboriana fotsiny amin’ny vanim-potoana mampirongatra ny doro tanety izao. Etsy an-kilany, mandrora mitsilany ny olona satria misy fiantraikany amin’ny fiainany andavanandro izany, ary rehefa miseho ny voka-dratsiny, toy ny tsy faharitan’ny rano, kanefa ny fanjakana hatrany no homena tsiny avy eo.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT