Tany amin’ny 7 km miala an’i Toamasina Renivohitra, Fokontany Analamalotra, Kaominina Ambanivohitra Tetezambaro, Toamasina faharoa, no voalaza fa nisehoan’ity tranga ity ny alatsinainy teo.
Niparitaka ny feo fa hoe nivoaka avy tao amin'ny toerana nitazomana azy tao amin'ny École de Formation de Technicien Agricole (EFTA) avokoa ireo olona mitondra ny tsimokaretina coronavirus tsy ahitana soritr’aretina na « porteurs sains ». Tara mantsy ny fanateran-tsakafo atoandro, raha io feo niparitaka io ihany ka nitady sakafo sy nitady toeram-pivarotana tany Ivoloina izay fokontany akaiky teo izy ireo, hoy ny resaka niely. Nisy ny nandeha tongotra ary ny sasany nande fiara, raha ny fanazavana. Nampikorapaka ny mponina tany an-toerana izany, hany ka samy nanidy ny varavarany daholo. Nisy kosa ny nampandre ny Ben'ny Tanana avy hatrany mba hijery ny zava miseho. Manahy mafy araka izany ireo mponina amin'ny mety hiparitahan’ny valan'aretina Coronavirus any an-toerana. Mitebiteby fatratra izy ireo ary tsy sahy mandeha mividy entana amin'ny toerana voalaza fa nandalovan'ireo marary mihitsy.
Nandiso ny resaka niely momba ity hoe fitsoahan’ireo marary ity ny Lehiben’ny faritra Atsinanana omaly.. 25 ny olona raisina amin’io ao Analamalotra io. ; misy mpitandro filaminana sy mpiantsoroka ny sakafo ao, raha ny nambarany.Tsy nisy marary nivoaka niantsena na nitsoaka izany. Diso ny filazana fa nisy ny fitsoahana, ary fanakorontanana saim-bahoaka izany, hoy izy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.