Actualités

Analamahitsy Tranom-bazaha nisy nandoro.


  • Alatsinainy 04 Aogositra 2014

Araka ny filazan’ny olona manodidina teny an-toerana dia nisy nanipy afo avy any ivelan’ny tamboho misy ilay teratany vahiny monina eny Analamahitsy. Ny sabotsy teo no nisehoan’ny loza.

Vokany, may kila forehitra ny trano iray feno entam-barotra tao amin’ny tanànany. Tsy tao an-toerana ny tompon-trano tamin’ny nitrangan’ny  loza, fa ny olona manodidina no nifarimbona namono ny afo mandrapahatongan’ny mpamonjy voina.  Marihana fa mpivarotra irony entana tranainy irony ity teratany vahiny ity. Avotra soa aman-tsara ny entana rehetra fa simba tanteraka kosa ny trano. Midadasika ny tanànany ka sarotra ny nifehy ny afo. Raha ny nambaran’ny nanatri-maso dia saika mbola zava-doza no niseho raha tsy tonga haingana ny mpamonjy voina satria dia efa niitatra tamin’ny toerana  hafa ny afo, noho ity trano ity feno hazo sapin izay mora mirehitra. Nahiana ihany koa ny mety nahamay ny tranon’ny minisiteran’ny serasera teny an-toerana raha tsy tonga haingana ny mpamonjy voina. Torana nifamonjena moa ilay teratany vahiny raha vao nahita ny zava-niseho.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT