Actualités

Analakely Vazaha frantsay namono mpiandry Parking , saika niharan’ny fitsaram-bahoaka.


  • Talata 16 Septambra 2014

Nahitana vazaha iray namono mpiandry Parking tetsy Analakely omaly tokony ho tamin’ny folo ora maraina.

Raha ny fanazavana voaray dia saika hijanona haka toerana teo anoloan’ny magazay iray ity teratany vahiny ity saingy tsy navelan’ilay mpiandry toerana. Tsy nanaiky mora anefa ilay vahiny ka nanompa sy nidaroka ilay tovolahy ka naratra ity farany. Ny naman’ilay niharam-boina moa dia tsy sahy niaro azy fa dia nitazam-potsiny satria dia lava sady vaventy ilay vazaha ka natahoran’izy ireo. Ireo mponina teny an-toerana kosa izay nahita dia saika nanao angaredona tamin’ity vazaha ity saingy tonga malaky ny mpitandro ny filaminana ka izy ireo no nandamina ny raharaha, ireo  olona sasany izay nanatrika kosa anefa  dia tsy nanaiky fa nikasa ny hanao fitsaram-bahoaka ka nisy mihitsy ny fikasana handoro ilay fiara nentin’ilay vazaha saingy nilamina ihany ny farany. Misy moa ireo olona izay nahita no manahy fa ho vitavita mora eny indray ny raharaha satria dia teratany vahiny eto no resaka.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT