Actualités

Analakely Nihotsaka ilay tranobe, olona 5 no naratra


  • Zoma 30 Oktobra 2020

Nitrangana fihotsahana tao amin’ny tranobe iray fampiasan’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina tetsy amin’ny Arcade Analakely omaly alakamisy 29 oktobra 2020,

 

 

 

 tokony ho tamin’ny 11 ora sasany atoandro teo; ilay CEMDLAC te aloha izy ity. Raha araka ny fampitam-baovao dia efa simba be nandritra ny taona maro io trano io ka izao nirodana tamin’ny ampahany izao. Noho izay antony izay indrindra no antony nanalan’ny Ministera ireo mpiasa niasa tao ary nanakaramany orinasa hafa hanao ny fiambenana maika aloha noho ny efa firotsahan’ny ranon’orana. Nasiana “échaffaudage” ny trano araka izany mba hahafahana mandrodana azy tsikelikely ka tao anatin’izay asa fandrodanana izay indrindra no nisy nihotsaka ny tany amin’ny farany ambony ka naharatrana mpiasa miisa 5, ary ny 1 tamin’izy ireo dia naratra mafy teo amin’ny lohany ka nentin’ny Mpamonjy Voinan’ny Kaominin’Antananarivo Renivohitra tany amin’ny hopitaly mba homena fitsaboana. Tsara ny manamarika fa tsy nisy ny aina nafoy.Ankoatry ny mpamonjy voina dia tonga teny an-toerana nanamafy ny fitandroana filaminana ny avy eo anivon’ny polisy nasionaly, polisy monisipaly sy ny maro hafa koa, hoy hatrany ny fampitam-baovao.

J. Mirija sy Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT