ANALAKELY AMBODIFILAO

Lehilahy nivoaka hiantsena maty teny an-dalana


  • Zoma 17 Novambra 2023

Samy manana ny fomba hahafatesany tokoa ny olona tsirairay.

Lehilahy iray manodidina ny 33 taona izay marihina fa mbola herotrerony tokoa no maty nitambotsotra teny an-dalana raha hivoaka handeha hiantsena, omaly Alakamisy 16 Novambra hariva tokony ho tamin’ny 05 ora latsaka. Raha araka ny fahitan’ny manodidina azy dia toa nivembena izany ity lehilahy ity izay tombanana ho mety fanina ka nianjera tampoka. Niezaka ny nikosoka sy nikarakara azy iretsy voalohany nandritra izany saingy tsy tana intsony ny ainy. Raha araka ny tombana moa dia mety ho niasa sainabe loatra ity Raim-pianakaviana ity manoloana ny hasarotan’ny fiainana ankehitriny ka tapaka lalan-dra tampoka. Misy ihany koa ireo mieritreritra fa mety misy tosi-dra izy ka mety faly loatra fa afaka mba hiantsena kely hitondra sakafo hody saingy indrisy. Ao ihany koa ireo mihevitra fa mety ho noana loatra izy. Mbola mijanona ho tombatombana avokoa anefa izany rehetra izany. Tsiahivina moa fa saika miaina ao anatin’ny adin-tsaina avokoa ny 80%-n’ny Malagasy amin’izao vokatry ny fidangan’ny vidim-piainana sy ny ady tsy maintsy hatrehina isan’andro.
Pati
Legende : Matimaty foana ny ankamaroan’ny Malagasy vokatry ny hasarotan’ny fiainana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT